Actualités

Diosezin’Antsirabe Ankizy 8 000 no miatrika ny FAKA 2016


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alakamisy ny fanamariahana ny andron’ny ankizy katolika ho an’ny diosezin’Antsirabe na ny FAKA 2016.

 

 Ny Evekan’Antsirabe, Mgr Phillipe Ranaivomanana moa no nitarika ny fotoana ka na ny ankizy aza no teo dia nampita hafatra ho an’ny lehibe ny tenany. Tsy hita taratra eo anivon’ny fiarahamonina ny fitsinjovana ny ankizy sy ny maha izy azy, hoy izy. Ny lehibe mantsy mihevitra ny tenany ho ambony hatrany ka tsy miraharaha ny ankizy, kanefa nambaran’i Jesoa fa ny toy ny ankizy no handova ny lanitra. Sarobidy ny ankizy. Izay no antony nanaovana ny hetsika satria tsy misy hazo velona raha tsy misy ny fakany. Ny ankizy no hamelona ny hoavin’ny firenena sy ny fiangonana ka tokony hokolokoloina. Hafatra moa no nampitain’ny Eveka ho an’ireo ankizy ireo ka nilazany fa manantena ny ankizy hanova ny tsy mety eto amin’ny firenena sy ny Eglizy ny ankizy, satria omanina sahady ho Apostolin’ny ankizy izy ireo. Ohatra noraisin’ny Eveka moa ny sahobakaka sy ny sahona ka nilazany fa hatramin’ny firenentsika araka ny tenin’i Jesoa dia toy ny sahobakaka miaraka aman-tsahona ka ny lehibe indray no adala, manao ny tsy rariny eto amin’ny firenena amin’ny trangan-javatra rehetra. Raha misy ny manao risoriso sy mamono olona dia ny fampianarana diso ataon’ny lehibe no antony, hoy izy. Ankizy 8.000 avy amin’ny distrika ara-piangonana 30 manerana ny diosezin’Antsirabe moa no miatrika ity fotoana ity ka ankoatra ny fivavahana dia misy ny fialamboly ho an’ny ankizy toy ny fiarahana amin’ny Le Goéland avy any Ambositra, kilonga mitendry zavamaneno sy fifaninanana ara-panatanjahantena. Ny alahady izao no hifarana ny fihaonana.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT