Vita tamin’ny 26 febroary teo ny fampihavanana teo amin’ny zana-poko Zafindravala sy Antevondro.
Olana efa niotrika ela noho ny fifangalarana omby sy ny fifamonoana mandatsak’aina avy tamin’ny an-daniny sy ny an-kilany no nahatonga ny didadisa ka izao voaravina izao. Ny Ampanjaka Remi Alimana anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ny dinan’ny zanak’i Mangoky niaraka tamin’ireo lonaka isan-tanàna avy ao amin’ny kaominina 21 mandrafitra ny distrikan’i Betroka no nikarakara ny lanonana nanamarihana ny fifamelana tamin’ny alalan’ny « Tsangambolamena » sy ny « trebiky troky » izay fomba malagasy any an-toerana hamintranana ny fihavanana indray. Tonga nanatrika ity fotoana ity tany amin’ny kaominin’Ivahona, distrikan’i Betroka ny solontenam-panjakana avy tao amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny tafika ary ny avy tao amin’ny distrika. Izao fifamelana eo amin’ny Antevondro sy ny Zafindravala izao dia dingana iray lehibe amin’ny famerenana ny fampandriana fahalemana ny tany ka hijanonan’ny karazana valifaty isan-karazany nateraky ny ady amin’ny fitsarana sy ny halatra omby.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.