Raha ireo « batterie » nilevina tao anaty tany no nisy nangalatra taoriana kelin’ny
nametrahan’ny Sinoa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro manaraka ny lalam-pirenena faha-58 eo anelanelan’Anosizato sy Ampasika, ankehitriny dia ireo « panneaux solaires » indray no manjavona tsikelikely eny amin’ireo andrinjiro.
Nahafaly ny mampiasa lalana sy ny mponina manodidina ny nisian’ireo jiro ireo. Tsy vitan’ny nanazava ny lalana, fa nanome endrika ny tanàna ary nampihena ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra iny izany, saingy izao potehin’ny mpandrava efa, tsy tia hanan-javatra tsara izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.