Nivoaka tamin’ny fahanginany indray tamin’ny sabotsy teo ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.
Nambarany fa miharatsy hatrany ny fitondrana misy ankehitriny, mihalalim-paka ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Izaho no enjehina mafy sy haratsiana nefa hatreto tsy mbola hitako izay nanao tsara mivaingana taorian’ny nialako teo amin’ny fitondrana, hoy izy. Tsy mampaninona ahy ny niala teo amin’ny fitondrana fa mampalahelo ahy kosa raha hanao ratsy noho ny vitako fa tsy hanao ny tsara. Eo an-danin’izay, olona nofaniko avokoa na ny mpanohitra na ny mpitondra ankehitriny. Nasiany resaka manokana ny mikasika ilay fanenjehana azy ho namotika ny orinasa Air Madagascar fa nitondrana miaramila. Nambarany fa nanana fiaramanidina maro isika tamin’izany fotoana ary raha ny miaramila koa no nampiasa azy moa tsy Malagasy tahaka antsika ihany ve ? Fehiny dia nahavita be teto amin’ny firenena ny filoha Ratsiraka ary mbola vonona ny hitondra izany ireo mpikambana ao amin’ny antoko AREMA tarihiny. Nankalaza ny faha-40 taona nijoroan’ity antoko ity ireo mpikambana ao aminy. Ny sabotsy teo no nanokafana izany tamim-pomba ofisialy teto an-drenivohitra, hitohy ny 18 jona any Toamasina hifarana ny 4 novambra eto Antananarivo ihany. Tanjon’izy ireo ny hampivondrona ireo mpikambana hahafahana mampandroso ny firenena tsy mivaona amin’ny fotokevitra efa nijoroany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.