Actualités

Didier Ratsiraka Miandry azy ny ao Toliara


  • Zoma 09 Desambra 2016

Taorian’i Fianarantsoa dia ny tanànan’i Toliara indray no handray ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny antoko AREMA.

Efa natomboka tamin’ny fampirantiana sary miisa 350 mampiseho ny fiainan’ny Amiraly Didier Ratsiraka mpanorina ny antoko, mandritra ny 40 taona izay, nanomboka ny talata 06 desambra ao amin’ny hotely Blanc Vert ao Sanfily ny hetsika. Mampiavaka ity ao Toliara ity ny fampisehona ny akanjo nanaovan’Atoa Amiraly Didier Ratsiraka tamin’ny nandraisany ny fahefana tamin’ny taona 1975 fony izy “Capitaine de Frégate”. Nanokatra ny fampirantiana ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, kolonely Rabe Jules amin’ny maha oloben’ny tanàna azy notronin’ny Sekretera nasionaly lefitry ny antoko Arema, Rabeharison Jeannot sy ny “Comité directeur” isany Valoserana Eloi sy Saory Christian ary Ramanana René ary ny zanany vavy Sophie Ratsiraka. Hisy fifaninanana “Tsapiky” anio zoma 9 desambra 2016. Manomana fitsenana miavaka an’ny Amiraly Didier Ratsiraka amin’ny fahatongavany eny amin’ny seranam-piaramanidina Andranomena ny ao Toliara rahampitso sabotsy 10 desambra 2016. Harahina karnavaly manodidina ny tanàna izany mihazo ny Espace Père Barre hanaovana ny lanonam-pankalazana ny faha-40 taonan’ny antoko. Io ihany koa no fotoana hihaonan’ny amiraly amin’ny vahoakan’i Toliara indray taorian’ny taona 2002, nialany an-tanindrazana.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT