Actualités

Dibo-drano ny eny ambany tanŕna Vahaolana ny fanadiovana ireo lakandrano


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

Mitombo isan’andro amin’izao fotoana izao ny isan’ireo traboina vokatry firotsahan’ny oram-baratra miaraka amin’ny rivodoza tsy an-kiato. Lasa andavanandron’ireo mponina eny ambany tanŕna noho izany ny fisian’ny rano miandrona efa ho andro maromaro izao

. Tsy vitan’ny mirobo-drano intsony ny olona fa tena miaina tanteraka ao anaty rano. Tafiditra any an-trano mihitsy moa ny rano ary izay lalan-kaleha rehetra dia rano avokoa. Ny zava-misy dia tsentsin’ny fako sy ireo loto isan-karazany ireo lakan-drano manerana ny tanàna ka mahatonga ny fiakarana sy mahadibo-drano ny ankamaroan’ireo fokontany eny amin’ny faritra iva toy ny eny anivon’ny boriborintany voalohany sy fahefatra ao anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Mankasitraka ny fijerena ifotony hataon’ireo olom-panjakana tarihin’ny filoham-pirenena ny vahoaka. Ilaina ihany koa ny fanampiana toy ny trano lay sy ireo sakafo fampiasa andavanandro. Hetahetan’ny mponina kosa anefa ny fijerena vahaolana haingana tahaka ny fampitaovana amin’ny fanadiovana ireo lakandrano ho fisorohana ny fisondrotan’ny rano tsy hiditra any an-tokantrano.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT