Actualités

Depositaires de Médicament Nivoaka ny fehinkevitry ny Fihaonambem-pirenena


  • Zoma 10 Oktobra 2014

Marefo ary tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny famatsiana fanafody any ifotony, hoy ry zareo mpikambana ao amin’ny vovonana DMM na Depositaires de Médicament vao nahavita ny Fihaonam-bem-pirenena voalohany omaly tetsy Antohomadinika Antananarivo.

Tsy voatsinjo loatra ny ain’ny vahoaka noho ny fiparitahan’ny fanafotsy tsy fanatam-pihaviana eny amin’ny fivarotana tsy ara-dalàna, hoy ny fehinkevitra nivoaka ry novakiana am-pahibemaso omaly. Mampanontanin-tena anay Dépositaires de médicaments nahazo alalana ara-dalàna ny amin’ny lalàna vaovao navoakan’ny fanjakana manova ny fepetra iasana mankany amin’ny ratsiratsy kokoa ary miafara amin’ny fanakatoanana ny toeram-pivarotanay tsikelikely. Izahay anefa, ho ihany ny fanamarihan’Atoa Razanajatovo Andrianimerina Hobiana filoha nasionalin’ny vovonana DMM, dia manampy sy manentana ny vahoaka tsy hividy fanafody afa-tsy amin’ny fivarotam-panafody ara-dalàna.  Akaiky ny vahoaka izahay sady mamatsy fanafody manara-penitra sy araka ny kalitao ary takatry ny fahefa-mividin’ny mponina. Vonona ny hanolo-tanana ny fitondram-panjakana izahay ho fampivoarana ny sehatra famatsiana fanafody any ifotony hoy izy. Koa mangataka aminareo fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny and. 202, 203 ary 204 amin’ny lalàna 2011-003 mitondra ny “code de santé” izay sady manohintohina ny zon’ny Dépositaires de Médicaments no tsy manao laharam-pahamehana ny aim-bahoaka fa zary lasa fanomezam-bahana ny farmasiana amin’ny fifaninanaa ara-barotra fotsiny. “Ny fahasalamana ho an’ny rehetra, tsy vita tsy ifanakonana” araka ny lohahevitra nofinidinay, hoy ity filohan’ny vovonana DMM ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT