Actualités

Depioten’Ambositra Niharan-doza ny fiara nitondra azy


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Niharan-doza ny fiara nitondra ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’Ambositra Atoa Razakamady.

 

 

 

 Teo atsimon'ny tetezan’Andriamamovoka lalam-pirenena fahafito no nitranga ny loza, omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. Hihazo an'Antananarivo ity solombavambahoaka ity no izao tra-doza izao. Na izany aza anefa dia tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Tsy nisy nokasihina ity solombavambahoaka ity sy ireo mpandeha niaraka taminy. Raha araka ny vaovao azo moa dia vokatry ny fipoahan’ny kodiarana an-kavian’ilay fiara no nahatonga ny loza ka nivadibadika ambony ambany tany anaty tevana izy ireo. Miantso ny mpampiasa ny lalam-pirenena rehetra mba ho mailo, araka izany, ny mpitandro ny filaminana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso tsara ny fiara mialoha ny handehanana lavitra, hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao. Telo izy ireo no tao anatin’ilay fiara.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT