Mitohy ny tolo-tanana fanampiana ny tanora amin’iny Distrikan’Arivonimamo iny, ataon’ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara, Rakotomanjato Rodin, voafidy tany an-toerana.
Ny faran’ny herinandro teo, nanaovana ny lalao famaranana amin’ny fifaninanana baolina kitra nokarakarain’ny Tiako i Madagasikara tao Imerintsiatosika, dia nanolotra omby vositra matavy natao amboara ny depiote. Nihaona tamin’io famaranana io ny 3FB Imerintsiatosika sy ny Club Razafindrajesy. Nivoaka ho mpandresy taorian’ny “tirs au but” ity farany rehefa nirava sahala samy tsy nisy nitoko ny roa tonta taorian’ny fe-potoana ara-dalàna. Nahavory olona maro ity lalao ity. Nandritra izany no nanamafisan’ny depiote Rakotomanjato Rodin ny hanamboarany ny kianja filalaovam-baolina ao Imerintsiatosika ; foto-drafitra tokony ho efa vita tamin’ny tetezamita saingy noho ny sakantsakana ara-politika dia nihantona teo. Niantso ny Ben’ny tanànan’Imerintsiatosika, Andriambolanarivo Parisoa, ny depiote amin’ny fiaraha-miasa hampandrosoana ny tanàna toy izay efa nataony tamin’ireo Kaominina maro ao anatin’ny distrikan’Arivonimamo, ka nahavitana lalana hamoahan’ny tantsaha ny vokany, tohodrano manondraka tanimbary ana hektara maro, fampitaovana sekoly…
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.