Nitsapa alahelo sy nanampy ireo niharam-boina vokatry ny fihotsahan’ny tany be teo ambonin’ny tranon’ny fianakaviana roa samihafa teny Tsiadana Ambohidepona Boriborintany faharoa omaly, ny depiote Randrianarisoa Stanislas. Nitondra izay voatsirambin’ny tanany ho fanampiana sy fanohanana ireo fianakaviana telo tonta namoy zanaka koa izy sy
mpanaraka azy tamin’izany. Fantatra moa fa nalefa any Maroantsetra omaly maraina ny razan'ilay tovolahy iray, ilay iray hafa kosa any Soavinandriana. Ilay tovovavy kely vao 13 taona kosa dia omaly maraina no nalain'ny BMH tany an-toerana nanaovana ny fizahana ary niantohan’ny depiote Rastany ny fitaterana ny razana niverina tao an-tokantranony. Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra ny mbola ahitana trangan-javatra tahaka izao eto an-drenivohitra, hoy ingahy Depiote, izay tsy inona fa vokatry ny fanorenana trano tsy ara-dalàna. Vokatry ny fahantrana no mahatonga izany, hoy izy, ary noho ny tsy fandraisan’ny tompon’andraikitra fepetra dieny tany am-boalohany ka nanosika ireo nanorina ny trano araka izay tiana hamono tena. Mbola misy olona tandindomin-doza eo amin’ny manodidina ity toerana nitrangan’ny loza ity ka nilaza ny lehiben’ny fokontany Tsiadana Ambohidepona fa efa nandray fepetra ny fanerena ireo olona mipetra amin’ny manodidina hiala amin’ny misy azy ankehitriny. Aleo mba hamoraina ny fitsirihana ifotony ny fanorenana trano vaovao eto amintsika sy ny fangatahana fanomezan-dalana amin’izany, hoy ny Depiote Rastany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.