Raha mbola nisalasala tamin’ny tsy fahitana maso nivantana ny resa-bola nihodinkodina tao anatin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena tao ny mpanao gazety teny Tsimbazaza omaly, dia tena nohizingizinin’ny depiote Rahantanirina Lalao na i Nina avy any Mahajanga ny fisian’izany lelavola 5 hetsy ariary nozaraina tamin’ireo depiote nanaiky ny nanao sonia ny tsy hanatanterahana ny fitsipaham-pitokisana efa nisy nikononkonona.
Zavatra efa tsy mandeha izao, hoy izy, mbola harovana amin’ny ahoana ?” Depiote voafidim-bahoaka ve no misy eto sa depiote voavidim-bola ?”, hoy ity Depiote avy any Mahajanga voalohany ity. Ny trangan-javatra miseho amin’ny fampandriantany tontosaina any Ambatofinandrahana aza moa lazain’ny Praiminisitra tsy fantany akory ka inona no antenaina aminy intsony, hoy ny fanamafisana nataon-dRazanamahasoa Christine teny Tsimbazaza tamin’io omaly io.Tsara ho marihana kosa anefa fa tsy hoe ny depiote rehetra no nandray io maribola nambaran’ny depiote Nina io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.