Actualités

Depiote Nirina Ravelohanitra Nizara fanampiana tao Ambohitsimanova


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Sambany! Hoy ny Ben’ny tananan’Ambohitsimanova mba nisy solombavam-bahoaka nitana ny teniny ka nitsidika sy nitondra fanampiana sesehena ho an’ny vahoaka nivantana toy izao! Nadritra ny fitsidihana voalohany nataon’ny solombavambahoakan’i Madagasikara

voafidy tao Antsirabe faharoa,Rtoa Ravelohanitra Nirina, ny Sabotsy 27 Desambra lasa teo.Nitsidika ity kaominina ity voalohany tokoa mantsy ity solombavambahoaka ity ka tsy nandeha tanam-polo izy tamin’izany fa nitondra vafy fotsy an-taoniny nozaraina tamin’ireo vahoaka nanotrona azy,nizarana fanamiana nitovy avokoa ny kartie mobily ary ireo lehilahy sy ny zaza amam-behivavy dia nizarana akanjo avokoa..Olona nanodidina ny 500 teo ho eo moa no tonga tamin’ity hetsika ity noho ny tsy fanampoizan’ny maro azy ka samy afa-po ny rehetra tamin’ny fanomezana ho fiatrehana ny fety ity.Nambaran-dRtoa solombavambahoaka nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpanolontsaina sy ny lehiben’ny fokontany fa mbola an-dalana fikarohana mpiara-miombon’antoka ny tenany amin’ny fampandrosoana an’Antsirabe faharoa manontolo,indrindra ny fanamboaran-dalana izany.Nialoha ity moa dia ny kaominina Mangarano no nanaovan-ity solombavam-bahaoaka ity asa soa sy fanampiana ihany koa amin’izao faran’ny taona izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT