Actualités

Depiote Hatrefindrazana Jerry Tsy manohana ny kandidan'ny HVM


  • Alarobia 23 Desambra 2015

Amin'ny maha mpanao politika an'i Hatrefindrazana Jerry dia manentana ireo Ben'ny tanàna ny tenany mba tsy ho saro-tahotra manoloana ny ramatahora ataon'ireo lohandohany ao amin'ny antokom-panjakana HVM.

 

 Miantso ireo mpifidy lehibe ity solombavambahoaka voafidy tany Tolagnaro ity, mba handinika tsara alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra. Olona matotra manana ny maha izy ianareo olomboafidy, hoy izy, ka tanteraho ny adidy amin’ny 29 desambra 2015. Nitety ireo kaominina 29 mandrafitra an’i Tolagnaro izy ny herinandro lasa teo iny, sady nanolotra fitaovana toy ny milina fanoratana sy kojakoja maro samihafa ary fanomezana ho an’ny ankizy amin’izao fetin’ny krismasy izao. Na afaka manao fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana loholona aza ny tenany dia nilaza fa "malalaka amin'izay kandida hofidinareo ianareo Ben'ny tanàna sy ianareo mpanolotsaina. Tsy izaho Jerry akory no haneritery anareo”, hanohana kandidan’ny HVM, hoy izy.

 OTH


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT