Actualités

Depiote any am-ponja Mandeha ny tsindry hamoahana azy ireo


  • Talata 03 Desambra 2019

Raharaha vono olona no nanenjehana ny depiote Raveloson Ludovic Adrien dit Leva Sydney sy olona 3 hafa ka nampidirana azy am-ponja ny 24 aprily 2019.

 

 

 Voatonona tamina raharaha fanimbana ala arovana ihany koa. Tsy any am-ponja intsony fa manao asa ivelan’ny fonja na MOP (Main d’Oeuvre pénale) ao amin’ny Antenimieran’ny varotra ao Morondava izy. Noho ny tsy fahampian’ny olona miasa ato aminay no nanaovanay fangatahana, ka nangataka an’i Leva noho izy mpandraharaha namanay sady depiote, hoy ny filohan’ny antenimieran’ny varotra ao an-toerana. Teo ihany koa ny tsy fahasalamany hahafahany manaraka fitsaboana aty ivelany. Ny teo anivon’ny fonja kosa dia tsy nandà ny famoahana fa kosa nangataka ny hiandrasana ny fivorian’ny kaomisionina mpanao sivana ny olona hiasa ivelan’ny fonja. Niantso avy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna “Procureur general” tao Toliara izay misy ny dosieny ireo nagataka ny fanafahana, ary nanome baiko ny hamoahana azy ny tany, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fonja. Ny 7 novambra dia efa nisy taratasy nalefan’ny antenimieran’ny varotra, saingy tsy novalian’ny lehiben’ny fonja satria mbola misy afera iray hafa. Nolavina ny tsy fisian’ny fitsaboana na tsy fahasalamana teo anivon’ny fonja izay novoizina mba hamoahana azy, ary olona tsy salama tsy afaka hiasa ivelan’ny fonja, hoy ny fanazavana. Misy endrika tsindry sy baiko izany ny famoahana. Efa neken’ny depiote ny fangatahana fahafahana vonjimaika azy sy ny depiote Rasolomampionona Hasimpirenena voafidy tao Fandriana na efa tany am-ponja aza, voarohirohy tamin’ny raharaha famarotana ny Villa Elisabeth, mbola etsy Antanimora hatreto. Nandefa taratasy any amin’ny governemanta, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine mba hanafahana azy ireo. Ny Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara Atoa Clément Jaona dia efa nanipy teny tany aloha, fa lalàna no nampiditra azy ireo tany am-ponja ary lalàna no afaka manafaka azy ireo, tsy ambony noho ny lalàna ny fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena. Mandeha ny tsindry ! Aiza ho aiza ny fisaraham-pahefana ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT