Actualités

Demokrasia sy Fanjakana tan-dalŕna Voafidy ny solontenan’ny mpanao gazety ao amin’ny HCDDED


  • Sabotsy 19 Martsa 2016

Tontosa omaly teny amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana eny Nanisana ny fifidianana ny solontena tokan’ny mpanao gazety

Malagasy eo anivon’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l'Etat de droit) na Filankevitra ambony ho fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna. Folo ireo kandida neken’ny Holafitra hifaninana, niala an-daharana ny iray. Mpikambana niisa 15 eo anivon’ny Holafitra no nandray anjara tamin’ny fifidianana, in-dray mihodina, ka izay mahazo vato be indrindra amin’ireo kandida no misolotena ny mpanao gazety eo anivon’ny HCDDED. Vato 6 amin’ny 15 no azon’i Randy Donni, ary dia izy izany io solontena io. Mpanao gazety taloha tao amin’ny L’Express de Madagascar izy, efa tonian’ny fanoratana tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro L’Observateur. Nanentana ny fandaharana B.Lou tao amin’ny RTA ary tao amin’ny UTV no nahitan’ny mpijery azy faramparany teo. Masoivohon’ny Reporter Sans Frontières eto Madagasikara ihany koa izy. Anisan’ireo rafitra voatondron’ny lalàmpanorenana ny HCDDED.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT