Actualités

Delestazy Vahaolana ny 3P


  • Alakamisy 23 Oktobra 2014

An-dalana amin’ny fikarohana ireo vahaolana hanafoanana ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny eto Madagasikara ny fitondram-panjakana ankehitriny. Fanapahan-kevitra noraisina io nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo.

Narahin’ny fikaonan-dohan’ireo minisitra vitsivitsy izany ny amin’ny tsy maintsy hanoloran’izy ireo soso-kevitra fampitsaharana ny delestazy amin’ireo faritra maro manerana ny nosy hatramin’ny alatsinainy 20 oktobra 2014 teo, araka ny baikon’ny filoham-pirenena. Fomba fiasa hiatrehana izany ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny 3P nampalaza ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny. Efa natomboka, ohatra, ny fifampidinihana niaraka amin’ireo tompon’andraikitry ny tetikasa ao Ambatovy sy ireo mpandraharaha hafa ary ireo mpamatsy angovo ny orinasa Jirama eny ifotony ao Toamasina. Vahaolana iray ihany koa ny fifampiresahan’ny mpitondra fanjakana momba ireo trosa tsy voaloa amin’ireo kaompania mpaninjara solika mba hitohizan’ny famatsiana ho an’ireo toerana sy tanàna maro eto amin’ny firenena. Hetahetan’ny mpanjifa moa ny hanatanterahana ara-bakiteny tokoa ny fifandimbiasan’ny fahatapahan’ny herinaratra raha tsy maintsy hitohy ny delestazy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT