Actualités

Delestazy tsy ifankahitana Mikomy amin-dRajoelina ny karana…


  • Zoma 24 Mey 2019

Maizina tanteraka ny ankamaroan’ny tanàna teto Antananarivo omaly takariva tamin’ny 5 ora sy sasany-8ora sasany.

 Fahataran'ny famatsiana solika amin'ireo tobim-pamokarana herinaratra eny Ambohimanambola sy Mandroseza no antony, hoy ny filazana mialoha nataon’ny JIRAMA. Raha ny resaka hafa any ambadika, dia misy faktiora tsy voaloha sy tara tokony hefana. Ahiana ho don-tandroka avy amin’ireo Kaompania sy mpandraharaha matanjaka ara-tsolika sy misehatra amin’ny famatsiana herinanatra. Ny 28 aprily i Andry Rajoelina no nilaza fa tsy maintsy hampidininy ny vidin-tsolika. Nitsefotra ve ? Mafy ary mifehy ny toekarena eto ireo mpandraharaha goavana amin’io sehatra io. Ny 17 mey teo ny teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana no namoaka lahatsoratra mifandraika amin’izany fa mandrahona ny hikomy ny karana. Ny solika, ny herinaratra, ny banky, ny indostria, tambajotran-tserasera… dia saika izy ireo no mifehy azy. Eo am-pelantanany ny aim-pirenena, ary sarotra ny hiady amin’ireo raha ny zava-misy amin’izao aloha. Tsy vitan’ny vava be nataon’ny Filoha fa mila paikady sy fifandresen-dahatra. Adin’ny 3 ny jiro ny tapaka, dia efa olana be eto, mainka fa hikomy herinandro ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT