Actualités

Delestazy sy vono olona Nirefotra ny basy sy lakrimôzena tao Vangaindrano


  • Talata 17 Janoary 2017

Nitangoronan’ny olona teo amin’ny manodidina ny biraon’ny zandary Vangaindrano omaly, nitaky ny hamoahana hampiharana fitsaram-bahoaka ireo olona voarohirohy tamina famonoana tovovavy iray, 19 taona, mpianatra amina sekoly tsy miankina iray ao an-toerana.

Nafana ny toe-draharaha rehefa hariva ny andro. Raikitra ny tora-bato. Voatery nanapoaka basy sy lakrimozena ny mpitandro ny filaminana nanaparitahana ny olona, nisorohana ny mety ho fihoaram-pefy. Miharo ny hatezeran’ny mponina ao Vangaindrano tampon-tanàna noho ny delestazy koa ny raharaha ka nisamboaravoara be ihany. Ny marainan’ny alarobia 11 janoary lasa teo no nahitana ny vatana mangatsiakan’ilay tovovavy, feno dian’antsy. Avy any amin’ny kaominina Lopary, 16km tsy hiditra ny tanànan’i Vangaindrano no fiaviany. Nandeha ny famotorana ka telo lahy no voarohirohy tao amin’ny borigadin’ny zandary. Tezitra ny fokonolona avy any Lopary, miaraka amin’ireo kaominina roa mpiray dina aminy, ka tapa-kevitra fa haka azy telo lahy voarohirohy ireo hatao fitsaram-bahoaka. Tonga tao Vangaindrano tampon-tanàna ireo fokonolona omaly maraina ary nihazo ny biraon’ny zandary niandry ny hanolorana amin’izy ireo azy telo lahy. Nanao fanelanelanana ny Ampanjaka, ny avy amin’ny Distrika ary tsy hisian’ny fifandonana na fihetsika tsy voahevitra. Tsy niala ny fokonolona, ka tonga tamin’ny fanapoahana basy, natao tifi-danitra sy grenady lakrimozena ny mpitandro ny filaminana nanaparitahana azy ireo. Nisy andia miaramila avy ao Farafangana nalefa nanampy ny zandary ao Vangaindrano, hisy koa ny hiala avy ao Manakara sao miitatra ny raharaha.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT