Actualités

Delestazy lavareny Tsy mitombina intsony, hoy ny praiminisitra


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

«Tsy azo ekena intsony manomboka androany (omaly zoma) ny delestazy eto amin’ny firenena, indrindra ny fahatapahan’ny jiro maharitra eto Antananarivo Renivohitra.

 

 Efa olana ekonomika fa tsy lafiny teknika intsony mantsy ny zava-misy ankehitriny eo anivon’ny Jiro sy Rano Malagasy, hoy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly. Nisy tokoa ny tsy fahaizana nitantana tamin’ny fampiasana na fandaniana ireo gazoala mampiodina ireo milina mpamokatra herinaratra izay efa fehezina amin’ny alalan’ny famerana ny tetibola, hoy ny lehiben’ny governemanta. Dingana goavana no efa noraisin’ny fahefana mpanatanteraka tamin’ny famoahana ilay didim-panjakana fanagadrana avy hatrany ireo olona rehetra mangalatra herinaratra. Ezaka iray hafa ny fitakiana ny fandoavan’ireo mpanjifa tsy mandoa ny saran-jiro sy rano amin’ny orinasa Jirama. Vahaolana maharitra kosa ny ialàna amin’ny asa tandrevaka mba hirosoana amin’ny fandraisana andraikitra tena matihanina, araka ny fanazavan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. 

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT