Actualités

Delestazy lavareny Tsy mbola ato ho ato ny vahaolana


  • Alatsinainy 03 Novambra 2014

Nilaza ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka ary ny fampiroboroboana ny asa tanana sady mpitondratenin’ny governemanta Rtoa Randrianarisoa Voanalaroy

fa efa manao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana amin’ny famahana ny olan’ny orinasa JIRAMA, indrindra fa ny delestazy lavareny. Raha ny filazan-dRtoa minisitra mantsy dia tsy vao tao anatin’izao repoblika fahefatra izao no nisy ny delestazy fa efa olana nobaben’ny orinasa efa ela. Midika izany fa na dia tsy nilaza mivantana azy ny tenany fa tsy tompon’andraikitra velively ny fitondrana ankehitriny raha toa ka misy ny delestazy. Mahakasika ny vahaolana izay tokony haroso, indrindra fa mahakasika ity delestazy ity dia hita fa tsy ato ho ato izany no hivaha ny olana satria tsy nilaza mazava izay fotoana tena tsy hisian’izany intsony ity mpitondrateny ity fa naravona fotsiny amin’ny hoe efa an-dalana ny fitadiavana ny vahaolana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT