Actualités

DELESTAZY LAVARENY Mikaikaika ireo mpandraharaha


  • Zoma 31 Oktobra 2014

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny delestazy lavareny misy eto amintsika ireo mpandraharaha. Voakasik’izany manokana ireo miasa amin’ny sehatra mila herinaratra toy ny Poissonnerie Manda, orinasa iray mpivarotra ireo karazana hazandranomasina rehetra misy eto amintsika.

Raha araka ny fanazavan-dRazakanavalona Bakoly, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity orinasa iray ity dia tena misedra olana tanteraka izy ireo. Tsy maintsy tehirizina anaty vata fampangatsiahana mantsy ireo vokatra vokarin’izy ireo izay tsiahivina fa haondrana any ivelany ny ankamaroany. Na izany aza dia tsy maintsy miatrika ny asany amin’ny andavanandro ihany izy ireo. Anisan’ny mandray anjara amin’ny tsenaben’ny sakafo sy lakozia izy ireo nanomboka omaly, hitondra ny isan-tokantrano hiala amin’ny rotorotom-piainana sy ny delestazy ka hianoka tanteraka ao anatin’ny sakafo mafilotra toy ny hazandranomasina izay vokariny. Haharitra efatra andro izany, hetsika tanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT