Actualités

Delestazy lavareny Manomboka mihetsika ny vahoaka


  • Alatsinainy 08 Desambra 2014

Manomboka hipoaka ihany koa ny sarom-bilany ho an’ny mponina eto Antananarivo. Raha ny zava-misy mantsy dia tsy ahitan’ny fanjakana vahaolana tena matotra ary maharitra mihitsy ity delestazy ity hatramin’izao

Tsiahivina fa nisy ny fotoana nilazan’ny tale jeneraly eo anivon’ny JIRAMA fa herinandro raha misy dia ho foana tanteraka ny delestazy, saingy hiaraha-mahita hatramin’izao fa vao mainka mitombo ny olana. Ny hita ary moa dia maro ireo olona mitaraina fa misondrotra ny vidin-jiro  sy rano, ny tolotra nefa tena tsy mahafapo. Manoloana izany dia nisy ireo fikambanana  nivondronan’ireo olon-tsotra samihafa nanao hetsika am-pilaminana ny sabotsy lasa teo manoloana ny farihin’Anosy. Voalaza tamin’izany fa dia hetsika tsotra entina hanairana ny sain’ny mpitondra aloha izao natao izao mba hitady vahaolana maika amin’ny delestazy. Ny jiro sy ny rano izay azo lazaina fa fototry ny fiainam-bahoaka. Hiaraha-mahita mantsy fa miha mitombo hatrany ny  ora sy ny faritra hisian’izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Raha sanatria mbola manao be marenina ny fanjakana dia hiditra amin’ny dingana manaraka izy ireo. Raha nilamina ny hetsiky ny Wake up Madagascar teto Antananrivo efa gidragidra kosa ny fanehoan’ny olona ny hasosorany tany Fenoarivo atsinanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT