Actualités

Delestazy lavareny Efa tena fanompana ny mpanjifa


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2016

Raha misy angamba ny orinasa mahazo teny henjana sy voaompa be indrindra eto Madagasikara dia ny Jirama.

Efa tena tsy rariny intsony ny fahatapahana maharitra sy miverimberina misy eo amin’ny famatsiana herinaratra sy rano manerana ny nosy. Ny faran’ny herinandro teo fotsiny izao, izany hoe ny sabotsy sy alahady dia tsy latsaky ny 5 ora isan’andro ny fahatapahana ho an’Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa ary Toamasina. Omaly alahady izao teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina dia nanomboka tapaka ny jiro tamin’ny 2 tolakandro ka tsy niverina raha tsy tamin’ny 6 ora hariva. Nitovitovy tamin’izany koa ny tany Antsirabe. Tapaka nandritra ny adiny 6 kosa ny jiro tany Toamasina ny sabotsy hifoha alahady. Mbola miampy fahatapahan’ny rano mandritra ny 2 ka hatramin’ny 5 ora ihany koa izany amina faritra maro. Misy ny fanamboarana ny fitaovana sy fikojakojana tsy maintsy hatao foana no fanazavana azo avy any amin’ny Jirama. Fa mandra-pahoviana ary no hisian’izany ? Raha tsy mahita vahaolana maharitra ny Jirama sy ny fitondram-panjakana, dia tokony hitsotra ny zava-misy marina mba hahafahan’ny mpanjifa manapa-kevitra, hoy ny raim-pianakaviana iray. Azo atao ny miroso mampiasa ny herin’ny masoandro na mividy gropy, arakaraka ny fahafahan’ny isan-tokantrano fa ity manantena tsy misy sy mifamely tampoka ity no tsy mety. Maro ny orinasa tena voa mafy sy mitondra faisana noho ity delestazy maharitra ity. Voakasik’izany manokana ny orinasa fanaovan-gazety an-tsoratra, ny mpitahiry sy mivarotra sakafo mila vata fampangatsiahana, ny mpanao volo, ireo mpanao soudure, ny cybercafé … Iza no hanonitra ny fahavoazana mety mitranga amin’ireny orinasa ireny ? Ny Jirama ve sa ny fitondram-panjakana ? Sarotra be ve ny mitsotra ny tena marina mba hahafahan’ny tsirairay mandray fepetra fa dia mifamitapitaka isan’andro eto foana ?


RTT /Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT