Nipoitra indray ingahy Rakotomalala Henry na Riribe amin’izao delestazy lavareny mihatra amin’i Toamasina izao, ary vao mainka miha mafy tato ho ato. Misy fokontany tsy mahazo jiro afa-tsy adiny telo monja isan’andro
Mitsangana ny vovonana iarahana fikambanana 22 ao Toamasina izao, ka i Riribe no voafidy ho filoha mitarika izany Eo am-piketrehana ny ho fidinana an-dalambe izy ireo hitaky amin’ny jirama sy ny fanjakana ny famahana faran’izay haingana ny resaka herinaratra. Amin’ity vovonana ity dia tafakatra 120% ny vidin’ny jiro isam-bolan’ny mpanjifa, nefa tsy misy afa-tsy 20%-n’ny herinaratra monja no azon’ny mpanjifan’ny jirama isam-bolana. Nohamafisin’ingahy Riribe fa “Tsy azo ekena intsony izany tanàna tsy misy herinaratra izany. Koa mangataka fihaonana an-datatabatra boribiry amin’ireo tompon’andraikitra rehetra ny vovonana hamahana ny olona faran’izay haingana. Raha tsy izany dia hidina an-dalambe hiaraka amin'ny vahoaka izahay, hoy izy izay fa efa tsy rariny intsony ny zava-misy. Resaka delestazy no hisantarana ny fidianana an-dalambe, aorian’izay dia tohizana amin’ny fitakiana ny volan’ireo mpiasa very asa tao amin'ny tetikasa Ambatovy sy ny raharahana ady tany ary ny olana eo anivon' ny orinasa SMMC sy MICTSL ny hetsika entin’ny vovonana. Hafanafana indray izany i Toamasina atsy ho atsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.