Actualités

Delestazy lavareny ao Toamasina Hanomboka hipoaka ny sarom-bilany


  • Zoma 14 Novambra 2014

Mampiantso fivoriana maika ao amin’ny kianja mitafon’i Soavita ireo fiarahamonim-pirenena anio zoma amin’ny 3 ora tolakandro, entina handinihina ny momba ity resaka delestazy tsy misy fiafarany ao Toamasina ity

Nantsoina avokoa ny vahoaka liana rehetra sy ireo fikambanana ara-piarahamonina ary ireo fiarahamonim-pirenena ihany koa satria misy hevitra hiraisana hotapahana mandritra ity fivoriana maika ity, araka ny angom-baovao. Midika izany fa efa hanomboka hipoaka ny sarom-bilany” ao Toamasina amin’ny fahakiviana sy efa leo amin’ny hafitsoky ny jirama ny vahoaka, indrindra ny tsy fihetsehan’ny tale jeneralin’ny jirama, Rasidy Désiré, minia mangina amin’izao olona izao, nefa izy no fototry ny olana mihatra amin’ny vahoaka izao. Raha ao Toamasina dia misy fokontany indrindra ireo manodidina ny tanàn-dehibe tsy mahazo herinaratra afa-tsy adiny iray isan’andro ihany ; ao kosa ireo mahazo ihany fa manomboka amin’ny 10ora na 11ora alina hatramin’ny 05ora maraina fotsiny ihany koa. Raha ny fanazavana azo tamin’ny angom-baovao natao anefa dia tokony hifampizara adiny 03 isaky ny fokontany ny fahazoana herinaratra amin’ny fotoana mahabetsaka ny fampiasana azy . Vokatr’ io delestazy lavareny ao Toamasina io, dia betsaka ireo mpivarotra trondro, mpanao “soudure”, mpanao volo, “cyber-café”, mpanao “photocopies” sy “impression”, mpivarotra ranom-boakazo…no nampitsahatra ny fihariana noho ny fatiantoka ateraky ny delestazy. Misy kosa ireo niezaka nividy “groupe” mba entina miasa, ka nampiakatra ny vidin’ny tolotra omeny ny vahoaka ka nampihena ny mpanjifany. Miandry izay ho vokatr’ity fivoriana atao anio amin’ny 03ora ity ny rehetra, ary ahiana hampisy sakoroka sy korontana ao Toamasina tsy ho ela ny tsy fivahan’izao olan’ny delestazy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT