Actualités

DELESTAZY Ho foana amin’izay


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Ho foana manomboka rahampitso talata, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Jira, ny fahatapahan-jiro matetika na ny delestazy eto Antananarivo Renivohitra.

 

 

 Nisongadina izany nandritra ny fanokanana tamim-pomba ofisialy ny toby mpamokatra herinaratra vaovao an’ny orinasa AF power eny Antanandrano Ankadikely Ilafy, lanonana notarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Hamokatra herinaratra 40 MW isan’andro izy io raha 200 MW isan’andro  ny filàna ho an’Antananarivo renivohitra. Telo volana no  nanaovana ny asa, ezaka izay hotohizana any amin’ny faritra ihany koa entina hanomezana fahafaham-po ny rehetra. Na izany aza dia tsy maintsy hisy ny fatiantoky ny orinasa JIRAMA amin’ny fividianana solika entina hampandehanana ireo fitaovana ireo. Ny fanjakana anefa no hameno izany, hoy ny filoham-pirenena  fa tsy hisy fampiakarana ny vidin-jiro akory. Fantatra fa efa hihodina tsy ho ela ihany koa taorian’ny fanamboarana tsy maintsy natao ny toeram-pamokarana herinaratra eny Ambohimanambola koa dia atao veloma hatreo ny delestazy satria ho ampy ho an’Antananarivo amin’izay ny herinaratra vokarina.


Centrale thermique Antanandrano

Gropy miasa :52

Herinaratra vokarina :40 MW

Gazoala lany isan’andro :253m³

Antananarivo

Filàna herinaratra isan’andro :200 MW

Herinaratra vokatra ankehitriny :149 MW

Elanelana :50 ka hatramin’ny 60 MW

Herinaratra vokarin’Antanandrano sy Ambohimanambola : 60 MW


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT