Rehefa mandrahona hitaona olona leon’ny delestazy hidina an-dalambe ny depiote dia mahita vahaolana ny Jirama. Taorian’ny fe-potoana dimy andro, nifarana ny alarobia teo, nomen’ny solombavambahoakan’i Sambava, Mamangy Norbert na Jack
ny Jirama ao an-toerana hijereny vahaolana mikasika ny delestazy raha tsy izany dia hitarika olona hidina an-dalambe ny tenany, dia nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany ny Talem-paritry ny Jirama SAVA fa manomboka omaly alakamisy nampahafantatra fa handeha tsy tapaka (24ora/24ora) ny jiro ao Sambava nanomboka io andro io, raha adiny 5 ihany izany teo aloha. Niantso ny mpanjifa mba ho tony ingahy tale. Tsiahivina fa nivahiny tamina onjampeo tsy miankina iray tao Sambava i Jack tamin’ny sabotsy 18 oktobra, tamin’izay no nanomezany fe-potoana hatramin’ny alarobia teo, hamahana io resaka delestazy io sy hitondran’ny Jirama fanazavana. Dia io nivaha io izany ny olana. Miankina amin’ny depiote anie izany ny hifaranan’ny delestazy manerana ny Nosy na tsia e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.