Fahasimbana tamina milina iray mpamokatra herinaratra tany Andekaleka no nahatonga ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo sy ny manodidina azy tahaka an’Antsirabe, Analavory, Ampefy ary Miarinarivo
tamin’iny herinandro lasa iny. Araka ny vavao voaray avy any amin’ny Jirama dia efa vita ny fanamboarana io milina io, nisy ny andrana teknika natao ny zoma 22 aprily ary efa mandeha ilay milina. Midika izany fa hiverina amin’ny laoniny amin’izay ny famatsiana ny herinaratra ho an’Antananarivo. Raha ny resa-be mandeha momba ny rano vokarin’ny Jirama indray dia nanamafy Atoa Feno Randrianarisoa tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity orinasam-panjakana ity fa ara-dalàna tsara ny fanadiovana ny rano, antonony tsara ny fatran’ny Chlore ao anatin’ny ranon’ny Jirama satria raha 0,5 mg isaky ny litatra fara fahabetsany ny fenitra iraisam-pirenena dia manodidina ny 0,3 sy 0,4 mg/l ny fatran’ny chlore ao anatin’ny rano tsinjarain’ny Jirama. Misy ny fitsirihana atao isa-maraina amin’ny toerana maro samihafa eto an-drenivohitra tahaka ny eny Iavoloha, Anosizato, Ivandry, Ambohijatovo sy ny maro hafa izay hahafahana manamarina fa madio sy ara-pahasalamana ny rano vokarin’ny Jirama, hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny serasera
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.