Tsy fantatra intsony izay tena marina fa na ririnina na fahavaratra na main-tany na avy orana dia tapaka isan’andro tsy misy fanazavana na fampandrenesana ny herinaratra amin’ny aritra maro eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Anisan’ny tena mitondra faisana amin’izany ny faritra Ampitatafika-Vinany ary Itaosy
. Araka ny fitantaran’ny olona teny an-toerana dia tapaka nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 9 ora alina ny herinaratra ny alarobia lasa teo teny Vinany Loharanombato. Omaly alakamisy indray dia mbola tapaka nandritra ny ora 3 izany hoe tamin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 9 ora alina ny herinaratra. Velon-taraina ny mponina eny Vinany, indrindra fa ireo mpivarotra mampiasa vata fampangatsiahana fa tena simba ny entana, tahaka ny yaourt, ny fromazy sy ireo ranom-boankazo …Tsara homarihana fa dia tapaka isan’andro ihany koa ny rano eny amin’ity faritra ity ary efa tena manodidina ny ora valo isan’andro izany fahatapahana izany. Asa na mahafantatra io tranga manjo ny fiarahamonina manodidina azy io ihany ny tale jeneralin’ny Jirama Atoa Rasidy Desiré izay mipetraka eny Avarabohitra Itaosy na tsia. Ny tsikaritry ny olona eny an-toerana aloha dia tsy mba itrangan’ny delestazy matetika ny faritra onenan’Atoa tale jeneraly fa mazava tsara foana isak’alina, asa hoe fifanandrifian-javatra ihany ve izany sa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.