« Efa tsy afaka manao ny asany malalaka intsony ny mpiasanay amin’izao olan’ny delestazy mahatonga sakoroka lava eto Toamasina izao. Izao ireo mpiasa mpanatitra faktiora misy mandrahona ho faty, ireo mpiasanay monina any amin’ny fokontany sady voatora-bato ny tranony no mbola voarahona ho faty ihany koa
. Ny zanakay mandeha mianatra aza efa mitaintain-dava noho ny vava sy rahom-bava mahazo azy ireo… ». Anisan’ny fitarainan’ireo mpiasan’ny jirama Toamasina ankehitriny io, taorian’ireo sakoroka ka nahafatesan’olona roa vokatry ny herisetra be loatra ataon’ireo mpitandro ny filaminana sasany. Nisy noho izany fivoriana maika nokarakarain’ny faritra atsinanana tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny faritra Soarison Constant Paulin sy ny ekipan’ny jirama ary ireo filoham-pokontany sy ny lefiny, tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana omaly alarobia tolakandro. « Olana tsy vao izao ny delestazy, olan’ny fahanteran’ny fitaovana misy tsy nisy fikarakaraka an-taonany maro no misy ka izao vao mipoitra avokoa ny fahasimbana. Efa misy ny ezaka vonjimaika ataon’ny fanjakana izao ka mila mba maharitra sy tony ny vahoaka, fa tsy vahaolana ny fanimban-javatra mitranga ankehitriny izao… », hoy Atoa Soarison Contant Paulin. Ho an’ny jirama tamin’ny alalan’ny Atoa Thu Sion Raboto kosa, efa nosoloina tsy ho talen’ny jirama Toamasina intsony noho ireo zava-nisy tao ho ao, fa « mbola hitohy io delestazy io, saingy efa eo ampamahana azy amin’ny fametrahana fitaovana sy fanamboarana ireo simba ny fanjakana, koa ny fahatongavan’ny tale vaovao eo tsy tonga dia hamaha olana avy hatrany ka mila miara-miasa aminy ianareo vahoaka tsy hisian’ny zava-niseho teo aloha ireny intsony ». Olana ara-fampitana vaovao haingana sy fanazavana ny tena zava-misy marina no tena olana amin’izao raharaha ao Toamasina izao ka nanome toky ny hanova izany sy hampita ny zava-misy marina sy haingana amin’ny vahoaka ny ekipan’ny jirama sy ny faritra atsinanana manomboka izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.