Actualités

DELESTAZY AO MAHAJANGA Tsy hisy intsony amin’ny volana novambra izao


  • Zoma 24 Oktobra 2014

Eo am-panamboarana ireo milina manome herinaratra ny orinasa Jirama ao Mahajanga mba ialana amin’ny delestazy lavareny ao an-toerana. Misedra olana tanteraka ny orinasa Jirama eo amin’ ny famatsiana solika satria dia miandry ny sonian’ny taratasim-bola avy amin’ ny fanjakana foibe vao afaka mividy solika ireo tompon’andraikitra. Mitady ny vahaolana ireo mpitantana ao amin’ny orinasa Jirama ao Mahajanga ialana io delestazy ao an-toerana ka ny firosoana amin’ny fanamboarana ireo milina simba no natao mialoha miampy ny fiandrasana ireo solika avy amin’ny fanjakana

. Raha ny fantatra dia tsy ampy amin’ny filan’ny orinasa ny solika azo satria dia milina maro vao afaka manome herinaratra sy manazava ny tanàna iray manontolo. Io olana solika io no sisa tsy voavaha mikasika ny famatsihana jiro ao Mahajanga ary mbola tsy ahitan’ny fitondrana vahaolana hatramin’izao. Mitentina 4.23000.0000 ariary isam-bolana ny solika mavesatra ampiasain’ ny Jirama ahafahana mizara ny herinaratra ao an-toerana ary angovo 115 000 Kwt ny no filana ao  an-tampon-tanànan’i Mahajanga raha 95 000 kwt no afaka mandeha izay miteraka ny delestazy amin’izao fotoana izao. Orinasa , dia ny Henri Fraise sy Enelec izay mpiara-miombon’antoka amin’ny orinasa Jirama no sisa afaka manampy amin’ny famatsiana herinaratra ao an-toerana ary matetika dia tsy maharaka ny filana ireo mpanjifa ny herinaratra mivoaka ka miteraka fahatapahana. Vinavinaina amin’ny volana novambara izao, hoy ny talem-paritra ny Jirama Randriatsimialona Jean Louis Raymond ny fitsaharan’ny delestazy ao Mahajanga satria efa eo mpikarakaraina ireo Milina simba ny teknisiana. Efa miezaka ny mpitantana eo anivon’ny Jirama mba ialana amin’ny delestazy ao Mahajanga satria dia efa maro ny fitarainana azo avy amin’ny vahoaka mikasika azy io. Etsy an-daniny anefa dia tsy manana fahafahana mividy milina vaovao ny orinasa Jirama satria dia tsy ividinana an’izay ny eo am-pelatanana. Nilaza hatrany anefa io talem-paritra io fa tokony hohafainganina ny fanaovanan-tsonia ny taratasim-bola amin’ny famatsiana solika mba ialana amin’ny fahatapahana aorian’ny fahavitan’ireo milina izay nasiam-panamboarana ireo. Raha tsiahivina dia vola 46 miliara ariary isam-bolana ividianana solika vao foana ny deslastazy eto Madagasikara. Ho hitan’ny fanjakana ve io vola be entina hampandeha ny Jirama eto Madagasikara io ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT