Hatramin’izao, tsy hita ny vahaolana noraisin’ny fanjakana mikasika ny delestazy tsy misy fahataperana manerana ny nosy. Maro ny voka-dratsy aterak’io fahatapahan’ny herinaratra io sy ny fahasimbana mahazo ny entana mandeha amin’ny herinaratra ny isan-tokantrano satria dia efa maro ny iharan’ny fahasimban’ny entana izay
. Ao Mahajanga manokana dia efa tafakatra 35 ny tokantrano manana fahasimban’entana mandeha amin’ny herinaratra ka ny fahitalavitra no tena maro an’isa. Anisan’ny mahita faisana koa amin’ity resaka delestazy ity ireo mpivarotra izay tsy maintsy mampiasa vata fampangatsiahana ka voatery izy ireo mampiasa “groupe”. Miandry ny vahaolana atolotry ny fanjakana ny vahoaka amin’ity delestazy izay tsy misy fahataperana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.