Hatramin’izao dia tsy mbola hita hatrany vahaolana noraisin’ny fanjakana mikasika ity resaka delestazy tsy misy fahataperana ity manerana ny nosy ity. Maro ny voka-dratsy aterak’io fahatapahan’ny herinaratra io sy ny fahasimbana mahazo ny
entana mandeha amin’ny herinaratra ny isan-tokantrano satria dia efa maro ny tratra ny fahasimban’ny entana izay. Ao Mahajanga manokana dia efa tafakatra 35 ny tokantrano manana fahasimban’entana mandeha amin’ny herinaratra ka ny vata fahitalavitra no tena maro an’isa.Isan’ny mahita fasaina koa amin’ity resaka delestazy ity ireo mpivarotra izay tsy maintsy mampiasa vata fampangatsiahana ka voatery izy ireo ny mampiasa “groupe”. Miandry ny vahaolana atolotr’ny fanjakana amin’izao ny vahoaka amin’ity delestazy izay tsy misy fahataperana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.