Saika isan-kariva dia ahitana fokontany maty jiro hatrany ao an-drenivohitr’i Boeny taorian’ny fanapanantenan’ny mpitantana ny orinasa Jirama any an-toerana fa tsy hisy intsony ny delestazy ao Mahajanga manomboka ny volana novambra teo.
Tsy izay anefa no zava-miseho, tsy mbola afaka hatrany io aretina mikiky ny firenena malagasy nanomboka ity fitondrana repoblika fahefatra ity. Ny fidiram-bolan’ireo mponina izay tsy maintsy mampiasa herinaratra andavanandro mihitsy no tena potika vokatry ny delestazy io. Isam-paritra no ahitana ity delestazy lavareny ity. Maro ny mametra-panontanina hoe tsy mahita vahaolana mikasika azy io mihitsy ve ny mpitondra ankehitriny ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.