Nifanesy noraisin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny Delegasionina mafonja avy amin’ny Faritra Betsiboka sy ny avy amin’ny orinasam-panjakana CNaPS omaly zoma 11 janoary maraina.
Niarahaba ity filoham-panjakana ity noho ny taona vaovao no tena anton-dian’izy ireo tamin’izany. Nitarika ireo delegasionina avy amin’ny Faritra Betsiboka ny Lehiben’ny Faritra Atoa Herilala Razafipiera, ka nisy ny fanolorana takelaka lehibe manamarika sy mampahafantatra ny haren’ny faritra sy ny fihavanana. Ho an’ny delegasionina mafonja avy amin’ny CNaPS kosa, dia nitarika ny lanonana ny Tale Jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul. Nivoitra tamin’ny lahateniny ny lanja sy ny maha zava-dehiba ny iraka ampanaovina ny CNaPS amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto amintsika, izay tena ilain’ny Malagasy amin’izao vaninandro izao. Nankasitraka tanteraka an’ireo delegasionina roa tonta nifanesy nitsidika azy ireo amin’ny fifanomezan-tanana sy fiaraha-miasa ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao. Tao anatin’izany ihany koa no nampahatsiahivany sy nanipihany ny tokony hanajana ny safidim-bahoaka mba hahafaha-miasa ho amin’ny tombontsoa iraisan’ny Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.