Noho ny fitsinjovana ny fahasalaman’i Fafah, izay andry fototry ny tarika Mahaleo amin’ny lafiny feo,
dia tsy hiakatra an-tsehatra izy amin’ny alahady izao izay hanatanterahana ny seho farany ataon’ny tarika amin’ity taona ity. Nanambara i Dama omaly tetsy amin’ny Skate Park Antanimena nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa ambany ny « morale » saingy antenain’izy ireo ny fanohanan’ireo mpankafy hatrizay ny tarika amin’izao vanim-potoana mafy lalovan’izy ireo izao. Ho amin’ny alahady izao dia i Ony avy ao amin’ny tarika Zandry Gasy izay mpankafy sady manana ny angolam-peon’I Fafah no hanatevina ny tarika eny an-tsehatra, araka ny fanambaran’i Dama. Tsiahivina fa fahasemporana noho ny toetr'andro manorana tampoka tany Antsirabe nandritra ny fampisehoana tamin’ny farany no nanjo an'i Fafah kanefa izy mihitsy no nangataka mba hiverina an-tsehatra eto Antananarivo. Hentitra ihany koa i Dama nilaza fa tsy marina ireo tsaho sy feo haely milaza fa atao fitaovana fitadiavam-bolan’ny tarika ny aretin’i Fafah.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.