Dahalo 1 500 lahy indray koa izao no tapa-kevitra fa hiala amin’ny ratsy fanao, ka hifanome tanana amin’ny mpitandro ny filaminana hamerina ny fandriampahalemana any amin’iny Distrikan’i Miandrivazo iny.
Tao amin’ny kaominina Manandaza, faritra mena amin’ny asan-dahalo amin’iny distrika iny sady fiangonan’ny omby halatra no nanehoan’izy ireo ampahibemaso izany fiovana fo izany, ka nisian’ny fijoroana vavolombelona. Fiarovana tanàna, fiambenana ny kizo 33 sy ny kizon’Andrafiabe no hataon’izy ireo manomboka izao
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.