Andrenesana akony hatrany ireo Kotro Tonga Saina (KTS) na dahalo miova fo any atsimon’ny Nosy. Re mantsy izao fa dia orinasana karana iray ao Antsirabe no nanjaitra ireo fanamiana sy satroka miloko maitso roa karazana, nampanaovina ireo dahalo 4 326 lahy nanaiky an-tsitrapo hiala tamin’ny asa ratsy fanaony ka niseho ampahibemaso teo anatrehan’ny mpitondra fanjakana izay notarihin’ny Praiminisitra Kolo Roger tao amin’ny kianjan'Andaboly, Amboasary Atsimo ny zoma 7 novambra 2014
Tsy nambara kosa na karama no nanjairana ireo fanamiana ireo na nozairina maimaimpoana na fanomezana tsotra izao fa araka ny loharanom-baovao dia anisan’ny mpanohana kandidam-panjakana amin’ny fifidianana ilay Karana tompon’ity orinasa ity. Inona no tambiny ? Mety ho izay no tao ambadiky ny fitsidihana matetika tao Antsirabe nataon’ireo mpitondra ambony eto amin’ny firenena tamin’ity enim-bolana faharoan’ny taona 2014 ity.
Hiaka-dapa
Ankoatra izay dia mahoraka ihany koa izao fa hisy 2 000 lahy amin’ireo Kotro Tonga Saina ireo hakarina eto an-drenivohitra ato ho ato, eny mety hiaka-dapa na CCI Ivato mihitsy. Hisaorana sy hatao “maodely” amin’ny fiovan-toetra nataon’izy ireo ? Tsy mampifanaraka ireo samy mpikambana eo anivon’ny governemanta anefa io fikasana io, eo ny olana amin’ny fitaterana, indrindra fa ny fiarovana azy ireo. Etsy an-kilany, ny iraisam-pirenena dia manara-maso ny fihetsiky ny Fanjakana amin’ireto dahalo tonga saina ireto. Misy mihitsy ny mitaky ny fanokafana fanadihadiana ka hanolorana azy ireo amin’ny Fitsarana noho izy ireo nahavita heloka bevava teo anivon’ny fiarahamonina fa tsy horaisina fotsiny amin’ny hoe : ny heloka ibabohana mody rariny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.