Omaly alakamisy 31 martsa tokony ho tamin’ny 4 ora maraina dia nisy halatr’omby niseho tao Beriketa, Distrikan’Iakora. Andian-dahalo miisa 100 no nangalatra omby 60 ary nitondra takalonaina roa ka zaza ny iray
. Nanara-dia avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny “groupement Ihorombe izay nampian’ireo avy ao amin’ny vondron-tafika manokana miady amin’ny dahalo (USAD). Tokony ho tamin’ny 9 ora sy 26 minitra maraina tao Vavosy, kaominina ambanivohitra Volambita, distrikan’Iakora, Faritra Ihorombe izay toerana manelanelana Distrika telo (Betroka – Iakora ary Midongy Atsimo), dia raikitra ny fifandonana, nisy ny fifampitifirana. Vokany, dahalo am-polony no maty ary omby 10 no tafaverina ary efa votsotra ireo takalonaina. Zandary iray kosa no namoy ny ainy dia ny GP2C Rakotondraparany miasa ao amin’ny ESCAPARA Ivato ary zandary 2 hafa naratra izay voatifitra teo amin’ny feny sy ny tongony. Ireto farany dia nalefa notsaboina maika ao amin’ny hopitaly Volambita ary efa nahazo ny fitsaboana tandrify azy avy. Ireo miaramilan’ny USAD kosa dia niverina ao Ranotsara. Tsy niandry andro fa avy dia nidina any an-toerana ny jeneraly Ramiandrisoa Jean De Dieu komandin’ny FIGN sy ny jeneraly Ramananjatovo Alphonse, komandin’ny CIRGN Toliara hijery ifotony ny toe-draharaha sy handray ny fepetra rehetra amin’ny hanamafisana sy hanohizana ny hetsika hiadiana amin’ny asan-dahalo amin’ireo faritra mena ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.