Nosokafana omaly tamin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo sy fampirantiana ireo asasorany voarakitra anaty boky roa hatreto ny faha-30 taona nanoratan’i Dadarabe na Rabe Andriamanarivo
Paoly. Ny “Dadarabe collection” no miantsoroka ny famoahana an’ireo boky manasongadina ny kolontsaina sy riba Malagasy ireo izay tsangambaton’ity fankalazana ity. Vao voalohany no nanontan’i Dadarabe boky eto an-tanindrazana izao fa tany ampitan-dranomasina no efa namoahany taloha saingy efa lany avokoa izany. Anisan’ny tena mampiavaka an’i Dadarabe ny fampiasany teny tsotra sy mora raisina ary mazava amin’ireo tononkalo soratany. Hampirantiana any Paris ireto sangan’asany ireto amin’ny zomà ho avy izao. Hitohy mandavan-taona ity fankalazana ny faha-30 taona nanoratan’i Dadarabe ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.