Nodimandry ny alahady 20 martsa , teo amin’ny faha-85 taonany Razafindrazaka Aimé ray niteraka an-dRazafindrazaka Bodoharisoa na i Bodo, mpihira fanta-daza.Ny zoma 25 martsa ho avy izao no handevenana an’Itompokolahy eny amin’ny fasan-drazany eny an-Tapony Ambohimalaza.
HAUTE VILLE
Nanatontosa hetsika ara-tsosialy fanadiovana ny lobolobo amin’ny lalankely sy tany malalaka ilalaovana baolina kitra ny mponina tao amin’ny faritra Ankerakely Fokontany Andohamandry, Haute Ville ny alahady 20 martsa lasa teo. Izany no tanteraka dia vokatry ny fanentanana nataon'ireo mpikambana ao anatin'ny Fiombonan'ny Mpankafy Fantanjahantena sy Zava-kanto. Mbola hitohy amin’ny fampianarana kabary ireo loham-pianakaviana ao amin'ity faritra ity ny hetsika.
AMBATONAKANGA
Hanao fanambarana ao amin’ny CITE Ambatonakanga mikasika ny fandraisana an-tanana ny fomba fanarenana ny fanendrena ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit), ny ROHY (Rindran’Olom-pirenena Hiarovana ny Iaraha-manana), anio talata 22 martsa.
FARAFANGANA
Tapaka tanteraka nanomboka ny alahady 20 martsa teo indray ny TVM vokatry ny delestazy ao an-toerana. Ny fitaovana fanapariahana sary sy feo mihitsy no misy fahavoazana. Halefa aty Antananarivo hamboarina izy io, miandry ny fahavitany vao hahita TVM indray ny any Farafangana.
FRANKOFONIA
Andrasana eto Madagasikara anio talata 22 martsa ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia, Rtoa Michaëlle Jean, hanao tombana ny fanomanana ny fampiantranoan’i Madagasikara ny Fihaonambe faha-16 an’ny Frankôfônia amin’ity 2016 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.