Actualités

Dadafara Saika nidiran-doza !


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Nikorapaka ny iray tanàna, saika nidiran-doza i Dadafara. Nitrangana hain-trano teny Mandialaza Ankadifotsy omaly tokony ho tamin'ny 02 ora sy sasany tolakandro .

 

Ny tranon’i Dadafara Discount store Saturne na Randriamampionona Joseph Martin ity trano nahitana firehetana ity raha araka ny fantatra. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina, hany ka haingana dia voafehy sy tsy niparitaka ny afo.Anaty tanàna ny tranon’ity mpandraharaha sady mpanao politika efa kandida filoham-pirenena ity ka mety ho nampidi-doza raha toa ka niitatra ny afo.Nisy kely ihany ny fahasimbana saingy tsy hoe nisy faharavana be tsy akory raha araka ny angom-baovao natao hatrany.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT