Actualités

« Cyber terrorisme » Efa manao koa ny Malagasy


  • Alakamisy 15 Septambra 2016

Tsy any ivelany ihany fa efa tafiditra eto amintsika ny resaka fampihorohoroana miainga amin’ny « internet » na « cyber terrorisme » amin’izao fotoana izao raha ny fanamarihana avy amin’ny Borigady misahana izany.

Avy teto amintsika no niaingan’ny hafatra mifono fandrahonana niantefa tamin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Seychelles Airlines sy kaompania maromaro any ivelany. Mitonona ho avy amin’ny vondrona mpampihorohoro Daech fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe Etat Islamique ny mpandefa ary amin’ny tenim-pirenena samihafa, ahitana teny Arabo. Ny hafatra dia ny hanapoaka fiaramanidina raha tsy manome ny vola takiany. Fikarohana niainga tamin’ny adiresy mailaka no nanombohana ny fanadihadiana ka nahafahana namantatra ny toerana sy ny solosaina nampiasaina tamin’ny fanaovana ity asa ratsy ity ary tsy latsakay ny 20 no efa nanaovana fanadihadiana. Teny Itaosy no niaingan’ny zava-drehetra. Efa nisy ny voasambotra teo am-panoratana ny hafatra. Efa manana olona nahavita fiofanana sy ampy traikefa amin’ny fikarohana mikasika ny « cyber terrorisme » isika fa marefo ny ny fitandroana filaminana ary lesoka ny ara-pitaovana.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT