Actualités

CUA sy ny mpiara-miombon’antoka Manitatra sy manamboatra ny sisin-dalana


  • Talata 09 Aprily 2019

Misy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) toy ny lalana, ny fantsona fandalovan’ny rano maloto, ny fanitarana ny haben’ny lalana sy fanamboarana ny sisin-dalana na ny « trottoir » taorian’ny fotoam-pahavaratra sy fandalovan’ny rivodoza farany teo ireny teto Madagasikara.

 

 


Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CUA amin’ny alalan’ny GRC na ny sampandraharaha mitantana ny loza voajanahary ao amin’ny kaominina sy ireo mpiara- miombon’antoka izy io. Manatanteraka ny asa ny ARM (Autorité Routière de Madagascar). Ny BEI na ny Banky Eoropeanina momba ny Fampiasam-bola no mpamatsy vola izao asa izao, ka ireo lalam-pirenena eto an-tanàna dia mivoaka ny renivohitra avy eo no anaovana ny asa dia ny lalam-pirenena RN1, RN2, RN3, RN4 ary ny RN7. Natao izany mba hampihenana ny faharefoan’ny mponina (vulnérabilité) sy ny fampitomboana ny fahafahany miatrika ny loza voajanahary (résilience) araka ny fanazavan’ny kolonely Jaona Andrianaivo, tompon’andraikitry ny GRC ny CUA. Hisitraka ny fanatsarana avokoa ny rehetra, indrindra ireo mpampiasa ny lalana dia ireo mpitondra fiarakodia izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT