Legende : Faly avokoa ireo vehivavy tompon’andraikitra ao amin’ny Boriborintany faha-efatra nahazo fiofanana
Nanome fampianarana informatika maimaimpoana ho an’ireo olona ao amin’ny Boriborintany fahefatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka « Orange Solidarité » no angady nananana izany toy ny fanomezana ny fitaovana. Vehivavy miisa 54, izay mpitantana fotodrafitrasa fisotroana rano fisotro madio, na ny AUE ( Association des Usagés de l’eau ), ao anatin’ny fokontany miisa 32 no misitraka ny fampianarana. Fianarana Bureautique toy ny « word sy excel » no nanofanana azy ireo mba ho fanarahana fenitra ireo firaketana an-tsoratra ny fitantanana ny fotodrafitrasa, hirosoana amin’ny firaketana ara-teknolojika amin’izay na « informatisation des données ». Hifarana amin’ny alarobia 29 mey ho avy izao ny fiofanana, ka afaka handray ny asa vaovao miandry azy avokoa ireo mpiofana ireo.Raha ny nambaran’ny Delegen’ny boriborintany fahefatra, Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel, dia hisy indray ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana hotanterahin’izy ireo ho an’ireo izay marefo ny sabotsy 18 mey ho avy izao, hiarahana amin’ireo mpitsabo efa matihanina amin’izany, eo anivon’ny DSH (Direction de la Santé et Hygiène). Tsy hadinoina koa ny didimpoitra maimaimpoana faobe, izay iraisan’ny Boriborintany enina mandrafitra ny tanànan’Antananarivo hotontosaina tsy ho ela. Tsiahivina moa fa manodidina ny 50.000 Ar isam-bolana raha kely ny saran’ny mianatra informatika eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.