Miteraka fanehoan-kevitra samihafa ny fikasan’ny fanjakana foibe hanaisotra ny sary famantarana sy ny teny filamatry ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Tsy rariny ny fanesorana ny fahefan’ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ao anatin’ny antontan-taratasy fampiasa eny anivon’ny fokontany, hoy ny delegen’ny boriborintany faha-IV Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel. Ny lalàna no mamaritra io fiaraha-miasa eo amin’ny ben’ny tanàna sy ireo sefo fokontany io. Voarakitry ny lalàna velona eto amin’ny firenena Malagasy rahateo ny fanapariahana fahefana. Ohatra mivaingana amin’izany ny fanomezana fahefana miainga avy amin’ny Fiadidiana ny tanàna mankany amin’ny fitantanana ifotony. Mpanara-dalàna ihany koa anefa ireo rantsamangaikan’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ka mampihatra an-tsakany sy an-davany izay voalazan’ny lalàna velona. Fepetra tsy maintsy raisina ny fandavana ireo antontan-taratasy tsy misy marika famantarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra hisorohana ny hosoka eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitra ara-dalàna voarakitra an-taratasy avy amin’ny fanjakana, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.