Nanolotra lelavola 1 tapitrisa ariary an’i Marthe Ralisinirina ny mpitantana ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra ho fankasitrahana ny ezaka vitany tamin’ny hazakazaka
“Jeux des Iles" notanterahana tatsy La Réunion farany teo. Nitsodrano ity atleta Malagasy nibata ny medaly volamena ity ihany koa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’ny mbola hiatrehany ny fifaninanam-pirenena hotanterahana any Ambositra ny 13 febroary izao. Vonona rahateo ity farany ny hitondra avo ny anaran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny lahateny fohy nataony. Fantatra moa fa haverina ka hitsangana indray eo anivon’ny CUA ny “Union Sportive de la Commune Urbaine Antananarivo” na USCA, araka ny fanambaran’ny filoha lefitra Ramiaramanana Patrick. Tsy ho diso anjara amin’izany ny taranja fototra atletisma.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.