Matotra ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Jiro sy Rano Malagasy
. Tanjona ny hampitombo ny fibosesiky ny rano manerana ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra. Miditra amin’ny fitondram-bahaolan’ny tsy fahampian’ny fibosesiky ny rano eny Ambohimanarina moa ankehitriny ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ny boriborintany faha-6 taorian’ny fidinana ifotony notanterahan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny ekipan’ny CUA ny herinandro lasa teo. Nijery ifotony ireo fotodrafitrasa famatsian-drano toy ny paompy sy fanasan-damba teny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana mantsy ny delege Andriamananjezika Fehizoro sy ireo tompon’andraikitra teknika ao amin’ny Jiro sy Rano Malagasy omaly. Vahaolana avy hatrany ny fanoloana ireo fitaovana ampiasaina efa antitra toy ny fantsona mitondra rano miaraka amin’ny tsy maintsy hanavaozana ny famatsian-drano izay tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony. Toromarika nomen’ireo teknisianina avy amin’ny Jirama ho an’ny mponina eny an-toerana ihany koa ny tokony hisian’ny toby fitahirizan-drano akaikin’ireny fotodrafitrasa fanjifan-drano ireny hisorohana vonjimaika ny fahatapahan’ny famatsian-drano mety hiseho.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.