Miroso amin’ny fanatontosana ny fandaharanasa famerenana ny hasin’ny renivohitr’i Madagasikara ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nijery ifotony ireo toerana valo harenina voakasiky ny tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa akaiky aminy ary ireo teknisianina avy amin’ity mpamatsy vola eto Madagasikara ity omaly. Dingana fampiharana avy hatrany taorian’ny fihaonana sy fifampidinihan’ny roa tonta ny talata lasa teo teny Analakely. Tafiditra tao anatin’ny fitsidihana moa ny fokontany Ankorondrano Atsinanana, Besarety, Antohomadinika, Ankazomanga, Manakambahiny ary Tsimbazaza. «Tsy mendrika ny mponina eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra intsony ny zava-misy iainany ankehitriny», hoy i Neny. Mila hizorana haingana ny asa fanarenana toy ny fanalalahana ny lakandrano fikorianan’ny rano maloto, ny toeram-pivoahana, ny fanaovana lalankely, ny fanamboarana sy fanatsarana ny lalankely ary ireo tata-drano fandehanan’ny orana. Hohatsaraina sy hohamafisina ihany koa ireo fotodrafitrasa efa misy toy ny fanaovana rindrim-bato ireo handrin-tany na solampy «talus», hoy ihany izy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.