Actualités

CSB 2 Analapatsy Tolagnaro May kila ny fitaovana rehetra


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Fitaovana maro no may lasa lavenona vokatry ny tsy fitandremana. May ny hopitaly CSB2 ao amin'ny kaominina ambanivolon'Analapatsy, distrikan'I Tolagnaro.

Potika, kila forehitra avokoa ireo kojakoja maro sy fitaovam-piasana rehetra tao anatiny. Tsy nisy ny aina nafoy. Ny zoma teo sahabo ho tany amin'ny 11ora alina no nitrangan'ny loza. Fatapera mandeha amin'ny solitany  no voalaza no nahatonga ny afo niitatra ary izao nitera-doza mahatsiravina izao.Tsy tao an-toerana ny dokotera tompon’andraikitra fa ny mpiara-miasa taminy no tao. Misedra olana indray araka izany ireo mponina. Ireo marary sy ireo vehivavy bevohoka andeha hiteraka no tena hianjadian'ny fahasahiranana. Manao antso avo amin'ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky izao fahavoazana izao ny mponina any an-toerana. Marihina fa vao niseho ny loza, avy hatrany nidina nijery ifotony tany amin'ny kaominin’ Analapatsy ny dokotera tompon’andraikitra.

Oth

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT